Sport

Barea 2020 Ludovic Ajorque no mety ho laharana faha 9 vaovao


  • Zoma 03 Janoary 2020

Hatramin’ny taona 2018 no efa nanomboka ny fifandresen-dahatra teo amin’ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina Kitra na ny Barean’i Madagasikara,

 

 Nicolas Dupuis, sy ilay irakiraka mpanafiky ny klioba divizionina voalohany frantsay, Racing club de Strasbourg, Ludovic Ajorque, mikasika ny fanatevenan’ity farany ny Barea. Tsy nety nanaiky hatrany no sady tsy nandà anefa ity farany fa nangataka ny hieritreritra satria sambany tafaverina ao amin’ny ligy voalohany frantsay rahateo ny ekipany tamin’iny taon-dasa iny. Nilaza ho nahatsapa ny toerana misy ity irakiraka mpanafika ity moa ny mpanazatra Dupuis ary nilaza ny heviny fa mpilalao mendrika na eo amin’ny filalao na ny fitondran-teny i Ludovic Ajorque na dia eo aza ny fiheveran’ny mpitia kitra Malagasy azy ho mampifila sy ireo tsikera maro samihafa. Raha ny fampahafantarana nataon’ny mpanazatra ihany koa dia tsy mbola nanome valinteny hatrany anefa hatreto ity mpilalao ity fa vinavina heno avy amin’ireo tekinisianina kosa no mety hanoloany ny toeran’i Faneva Ima eo anivon’ny Barea. Andrasana ato ho ato rahateo ny tena fanapahan-kevitra farany ho raisin’ity mpilalao ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT