Barea 2019 mbola voaantso

Rayan Raveloson sisa nisy ho jerena


  • Alarobia 23 Oktobra 2024

Rayan Raveloson, izay milalao ao amin’ny AJ Auxerre, divizionina voalohany ao Frantsa,

izany sisa no nisy ho jerena tamin’ireo niara-voaantso taminy handrafitra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barean’i Madagasikara ny taona 2019 ka mbola isan’ireo nantsoina hanatevin-daharana izany ekipam-pirenena izany farany teo. Izy ihany koa no hany mifaninana amina fifaninanam-pirenena avo lenta ao Eoropa amin’ireo rehetra nantsoina handrafitra ny Barea farany teo mihitsy fa tsy hoe ny iray tarika taminy ny taona 2019 ihany. Mbola nivoitra ny fahaizana sy traikefany raha ny hita nandritry ny fandresen’ny AJ Auxerre 2 noho 1 ny Stade de Reims ny 20 oktobra teo. Azo ambara ho tombana na «bilan» mikasika ny tsy fahatomombanan’ny fifantenana na «sélection» natao farany teo tamin’ny ekipam-pirenena niatrika ny fifanintsanan’ny amboaran’i Afrika na CAN 2025 farany teo avokoa izany, ankoatran’ny hoe fiantsoana divizionina faha 5 na mpilalao tsy manana klioba. Io izany izao fa dia hoe tsy hamoaka serasera mihitsy indray aloha ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra na FMF sy ny mpanazatra izany Barea izany raha tsy amin’ny fotoanan’ny fampivondronana manaraka amin’ny novambra. Mbola ny mpanazatra efa tsy nahomby farany teo, Romuald Rakotondrabe, ihany ve izany no ho eo? Mbola hisy indray ve ny fiantsoana divizionina faha 7?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT