Sport

Baolina vehivavy sokajy U 16 Ny Asot Analamanga no tafavoaka ho mpandresy voalohany


  • Zoma 12 Oktobra 2018

Nosokafana ofisialy tetsy amin’ny kianjan’Alarobia omaly alakamisy 11 oktobra ny fifaninanana baolina kitra vehivavy “Tournoi National U 16” karakarain’ny

 

 

Federasiona Malagasin’ny Baolina kitra miaraka amin’ny Unicef ao anatin’ny fanamarihana ny Andro Iraisam-pirenen’ny ankizy vavy amin’ity taona 2018 ity. Tafavoaka  ho mpandresy voalohany tamin’io andro voalohany fanokafana io ny ekipan’ny Asot Analamanga nanamontsana ny Fc Prescoi  Vakinankaratra 4-1. Vololona n° 15 (3’) sy Solomampionona (39’,59’,70’)  no nampiditra baolina ho an’ny Asot raha i Fanja n°6 (20’) kosa no nampiditra ny baolina matin’ny Prescoi. Hotohizana eny amin’ny kianjan’i Carion kosa manomboka anio zoma 12 oktobra amin’ny 12h15 ary tsy hifarana raha tsy ny sabotsy 20  oktobra 2018 ny fifaninanana.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT