Sport

Baolina tsara indrindra maty tamin’ny CAN Ny an’ny Malagasy no laharana voalohany hatreto


  • Alakamisy 18 Jolay 2019

Hatramin’ny omaly dia tafiditra ao anatin’ireo baolina maty miisa 10 nofidian’ny kaonfederasionina afrikanin’ny baolina kitra na CAF ho tsara indrindra nandritry ny CAN 2019 ny baolina tafiditr’ilay irakiraka afovoany Malagasy, Ibrahim Amada ary mitana ny laharana voalohany mihitsy.

 

 

 

Raha ny tombantombana hatreto dia sarotra ao anatin’izao famaranana ny tompondakan’i Afrika izao no ahitana baolina maty tsara noho iny daka mandrivorivo tsy nisy nanampo nihazo ny “lucarne” kaongoley iny. Tsetsatsetsa tsy aritra moa no ilazana fa manoloana ireo vokatra tsara azon’ny Malagasy tamin’iny CAN iny dia efa hita taratra ihany koa ny fanantenana mikasika ireto dimbin’ny Barea sokajy “Senior” ireto. Anisan’ireo mbola zandrikely efa milalao amina klioba goavana, ohatra, ny Malagasy iray antsoina hoe Loic Damour, milalao any Cardiff, divizionina voalohany anglisy, sy ny Malagasy iray antsoina hoe Jean Freddy Greco, izay milalao ao amin’ny AS Roma Italia ary vao 18 taona monja.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT