Sport

Baolina lavalava – seksionina Antananarivo renivohitra Kandida i Herilala Andrianaivo


  • Alakamisy 28 Jolay 2022

Manoloana ny fanovana rafitra eo anivon’ny taranja baolina lavalava izay ialohavana fifidianana dia nanapa-kevitra hilatsaka ho filohan’ny seksionina Antananarivo renivohitra eo amin’izay taranja izay ny tenako,

hoy ny kandida isany voalohany heno nanambara ny filatsahan-kofidiany, Herilala Andrianaivo. Ny seksionin’Antananarivo renivohitra no be fileovana indrindra ary tena taninketsa ho an’ny taranja Rugby. Mila fifaninanana matotra indrindra amoahana ireo sangany izany na eo anivon’ny ligy io na hatrany amin’ny ekipam-pirenena. Nalaza ratsy foana nefa ilay izy satria mboka komity Ad hoc no nitantana. Tsy mbola nisy rafitra tena nipetraka. Izay no anton’ilay fanapahan-kevitro hilatsaka satria efa nanomboka tany amin’ny taona 2000 koa aho no nilona tao anatin’izay taranja baolina lavalava izay. Nitantana klioba dia nisy fotoana koa nitantana ny komity Ad hoc tao anatin’ireny olana nianjady tamin’ny baolina lavalava ireny. Ny resaka fotodrafitrasa no tena olana ho an’ity taranja ity. Efa manomboka ny asa na mbola tsy eo amin’ny toerana aza ny tena. Efa misy ny fifampiresahana hitadiavana izay kianja izay. Isaorana manokana ny filohan’ny mpitsabo Malagasy FITRAMA izay vonon-kanampy tanteraka eo amin’izay lafiny izay hampiakarana indray ny lentan’ny taranja lavalava eto anivon’ny seksionina Antananarivo renivohitra. Miantso ireo orinasa sy malalatanana rehetra koa izay te hanohana ny fanatanjahantena fa mila tohanantsika ny tanora mba hahafahana mamafa ireo laza ratsin’ity taranja ity toy ny hoe resaka fifohana rongony sy fitaovana politika. Efa tompondakan’I Afrika ny baolina lavalava Malagasy saingy isany tena nanimba azy ny lafiny fotodrafitrasa. Lasa daholo tsy nisy intsony. Ny fanatsarana ny fifaninanana ihany koa no hahalasa ireo tanorantsika ireo ho matihanina, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT