Baolina kitra

Vita koa ny Elgeco !


  • Alatsinainy 26 Aogositra 2024

Dia mbola "premier tour" dia vita toy ny mahazatra indray ny baolina kitra malagasy. Resin'ny Clube Desportivo Lunda

Sul 1 noho 0 indray ny Elgeco Plus omaly tao amin'ny Kianja 11 novambra tao Luanda renivohitra. Tsy resy akory fa nahazo traikefa, hoy i Nina mpiandry tsatokazo. Tena mba nanohitra kosa aloha ny Elgeco Plus saingy tsy nisy nataon'ny Lunda Sul afatsy ny niaro tena taorian'ny baolina tokana matiny. Marina anefa ny tenin'ny mpanazatra Dekera hoe azo hatao ihany ireto Angole ireto saingy rehefa tsy mety izay ny atao dia misy voay hatramin'ny ranovola.Mbola mila ezaka na izany aza na dia efa voavorin'ny Elgeco ao aminy daholo aza ireo heverina ho sangany raha tsy hiteny afatsy Doddy, Jean Yves ary Feno. Raha mbola voatazona ao koa ireo nantsoina hanatevin-daharana ny klioba mandritra ity Amboaran'i Afrika ity dia mety lasa Barea 100 isan-jato. Ary raha izay no mety ho fandehany dia fantatra dieny izao fa amin'ity taom-pilalaovana miditra ity dia tsy maintsy Elgeco Plus sy Disciples indray no hanao famaranana raha tahiny ka mbola io fandaharana sadasada sady tsy Amboara no tsy tompondaka io ihany no ho raisin'ny Federasiona Malagasy ny Baolina kitra izay voalaza fa handray an-tanana indray ny raharaha.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT