Baolina kitra

Vita hatreo ny kakikajy!


  • Alakamisy 31 Aogositra 2023

Anio tolakandro etsy Mahamasina amin'ny 4 ora ny lalao manasa-dalana eo amin'ny baolina kitra izay hihaonan'ny

Barea sy ny Cœlacanthes Komorianina. Izay no vokatry ny antsapaka ary tsy misy hoe mafy io na malemy mihoatra ny La Réunion fa dia tsy maintsy hatrehina. N'y tanjona dia mazava fa ny handrombaka ny medaly volamena izay tamin'ny 1997 isika no nahazo farany.Tsy misy intsony ny kitranoantrano fa izay ao amin'ny heriny no mijoro.Eny fa na dia i Nina aza izay tsy dia tao loatra raha ny baolina nasehony tamin'iny lalao an'ny Elgeco iny. I Fabrice aloha no tena aho satria raha tsy izy no teo dia mety resin'ny Maorisy ny Barea. Isan'ny tsy tao koa i Dadafara ka sao dia tokony Rado Fanalamanga no ajoro. Ireo mpanolotsaina vazaha mbola andaniantsika volabe izany no tokony mandresy lahatra an'i Roro amin'izay olona tokony hajoro. Fa hatreto aloha dia tsy maharesy lahatra loatra i Jean Yves, asa mety tsy tsara fahana angamba na tsy zatra miaraka amin'i El Hadary satria tsy teo intsony i Dax izay tsy voaantso intsony fa tsy tafaverina amin'ny heriny taloha.Afaka misafidy tsara mpilalao afaka miatrika ny Comores aloha raha ny ao anaty lisitra manodidina ireo tsy azo hialana toa an'i Berajo, Ando Pro, Tendry ary Lalaina ary Tsiry.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT