Baolina kitra vehivavy

Tena mbola mafy ny Disciples


  • Talata 05 Martsa 2024

Nanokatra ny fotoam-pilalaovana tamin'ny fomba manetriketrika ny Ligin'ny

Vakinankaratra baolina kitra. Niova endrika ny tontolon'ny baolina kitra aty Vakinankaratra ary tena faly ny filohany, Fidy Andriatomponera, nampiseho ireo fitaovana raitra toa ny saina anjorony azo folahina, ny tabilao amin'ny tarehimarika eny fa hatramin'ny lastika fikontranan'ny mpitsara nahitana an'i Dominique Hanjavola izay tena mahafehy tanteraka ny asany ary inoana fa mba ho alefan'ny FMF any amin'ny sehatra iraisam-pirenena toy ny nandefasan'ny filoha Ahmad an'i Lidwine Rakotozafinoro. Tena mahay i Dominique Hanjavola ary izy rahateo no nofidian'ny Ligy hitantana ny lalao voalohany teo amin'ny baolina kitra vehivavy nahitana ny fihaonann'ny SabNam sy Disciples FC. Tsy nisy dinika anefa ity lalao ity fa nanehoan'ny Disciples ny mbola maha tompondakan'i Madagasikara azy. Nandresy 3 noho 1 ny avy any Betafo. I Rojo no nampiditra ny baolina roa (18 , 75) ary Irlac no namono ny baolina fahatelo (90+2). Nampiseho endri-dalao tsara ny Disciples ary vokatry ny fahaizany miaraka daholo ny baolina telo maty. Ny azo lazaina dia tena mbola mafy ireto Disciples ireto na dia efa lasa any Comores azy ny telo tamin'ireo tompondakan'i Madagasikara dia Volana, Matrepy ary Mina mpiandry tsatokazo. Efa tena voasolon'i Tinah anefa ity farany ary raha amin'ny saina tsy miangatra dia tokony efa ho tompon-toerana ao amin'ny ekipam-pirenena izy. Tsy izy irery anefa fa betsaka ireo tena mahay toa an'i Rojo izay somary fonentana nefa tena sarotra ny maka ny baolina eny an-tongony.I Mamisoa ilay loharana na dia tsy nahafaty baolina aza tany amin'ny Vélodrome dia nahavita nanipy ny baolina tany amin'i Irlac izay mbola isan'ny haingom-baton'ny Disciples.Miampy an'i Olivia sy Elisa ary Jesy ireo dia mety ho sarotra resena indray mandritra ity taom-pilalaovana ity.Tombony ho azy rahateo ny fisian'ny Sabotsy Namehana nifindra aty Vakinankaratra satria rehefa tena avo ny fifaninana dia mbola mety ohatry ny tamin'ny herintaona indray hoe Disciples sy SabNam no voalohany sy faharoa.Eo isika mahita azy.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT