Sport

Baolina kitra vehivavy tany Itasy Lasan’ny kaominina Betanimena Ambohikinga ny amboara


  • Talata 25 Septambra 2018

Tao amin’ny kianjan’ny Oniversite Faliarivo, Distrikan’ny Soavinandriana Faritra Itasy, no notanterahana ny lalao famaranana baolina kitra vehivavy Fisandratana ny alahady 23 septambra 2018 lasa teo.

 

Hetsika  teo ambany fiahian’ny Loholon’i Madagasikara Ramahavalisoa  Hanitra Eliane, izay zanaky ny Faritra, ary tafiditra indrindra amin’ny asa sosialy ho fitaizana ny tanora mba ho fampivoarana ny fanatajahatena amin’iny Faritra Itasy iny indrindra amin’izao vanimpotona fialatsasatry ny mpianatra izao. Ekipa vevivavy niisa 8 avy amin’ireo kaominina valo ao anatin’ny Distrika Soavinandriana nahitana ny Kaomina Tanjombato, Ambodianerana, Ambodiady, Miadamanjaka, Ampahamanga, Befaritra, Betanimena Ambohikinga ary Ambohitraina no nifaninana ka ireto farany no niatrika ny lalao famaranana izay nandrombahan’ny kaominina Betanimena Ambohikinga ny amboara tamin’ny isa 2 noho 0.Tanjona tamin’ity fifaninana ity ny hampiroborobo ny fanatanjahatena ho an’ny vehivavy sy ny hisian’ny fifaneraserana bebe kokoa eo amin’ny samy vehivavy ao anatin’ny Distrikan’ny Soavinanandriana hoy ny Loholona Ramahavalisoa Hanitra Eliane. Nambarany ihany koa fa ny hetsika hatao manaraka dia ny fampiofanana ireo tovovavy eo amin'ny sehatry ny asa tanana toy ny zaitra, ny fambolena ary ny fiompiana.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT