Sport

Baolina kitra vehivavy sokajy U 16 Vita omaly tetsy Anosibe ny antsapaka


  • Alarobia 10 Oktobra 2018

Vita omaly tetsy amin’ny Motel Anosibe ny antsapaka amin’ny Tournoi baolina kitra vehivavy sokajy U 16 hiarahan’ny FMF sy ny Unicef manantontosa eny amin’ny kianjan’i Carion ny 12-20 oktobra 2018 eny Carion hoenti-manamarika ny andro iraisam-pirenena hoan’ny ankizy vavy izay hankalazaina ny 8 oktobra isan-taona.

 

 

 

Ny andron’ny alakamisy 11 oktobra tolakandro kosa eny amin’ny kianjan’Alarobia kosa dia hisy ny fanokafana ofisialy an’ity fifaninana ity  ka hitondran’ny Unice hetsika manokana toy ny Festival Live Your Goals sy ny “ateliers football” ary filaharambe handraisan’ny zatovovavy mahatratra 300 isa manerana ny nosy anjara. Heverin’ny Unicef Madagascar fa eo amin’ny andraikitra sahaniny amin’ny ady amin’ny herisetra atao ny zatovovavy miala sakana dia afaka mampivondrona ny zatovovavy maro ny lalao baolina kitra hahazoan’izy ireo manatsara ny maha-izy azy ireo. Ekipa 8 no handray anjara amin’ity Tournoi ity ka nozaraina ho vondrona 2 ka voasarika ho ao amin’ny Vondrona A ny As 3A Amoron’Imania, Maitsovolo Matsiatra Ambony, Prescoi Vakinankaratra ary ny Asot Analamanga.  Ao amin’ny vondrona B kosa no ahitana ny Ac Sab Nam, As Jaf Atsimo Atsinanana, Sos Village des enfants Atsinanana ar yny Fc Manambina Boeny.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT