Sport

Baolina kitra Vehivavy Malagasy Hanomboka anio eny Carion ny dingana faha-2


  • Talata 10 Jolay 2018

Hanomboka anio talata 10 jolay 2018 eny amin’ny kianja sentetikan’i Carion ny dingana faha-2 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ i Madagasikara eo amin’ny baolina kitra vehivavy ka tsy hifarana raha tsy ny 22 jolay ho avy izao.

Vita omaly tetsy Isoraka foiben’ny FMF ny antsapaka amin’ny fihaonana rehetra hatrehana mandritra io fe-potoana voalaza io. Vita tamin’io omaly io ihany koa ny dinidinika ara-teknika amin’ireo lalao hotanterahina ao anatin’ny andro voalohany anio. Marihina fa taorian’ny dingana voalohany natao tany Antsirabe farany teo dia mitarika manana isa 19 hatreto ny Ac Sab Nam Analamanga arahin’ny Askam Itasy isa 16, ny Prescoi Vakinankaratra isa 13, ny Asot Analamanga isa 10, Som Boeny sy Ascut Matsiatra Ambony ary Mifa Analamanga kosa no mamarana ny filaharan’ireo ekipa 8 mandray anjara. Voamarika teny Isoraka koa omaly fa nosazian’ny komity mpitantana ny Federasion’ny Baolina kitra Malagasy handoa lelavola 200.000 ariary avy ny ekipan’ny Askam Itasy sy Asot Analamanga noho ny fandavan’izy ireo tsy hiakatra kianja tamin’ny 14 sy 23 mey 2018 tany Antsirabe nandritra ny dingana voalohany. Voasazy tsy hahazo miakatra ny “surface technique” mandritra ny 3 volana ihany koa ny mpanazatra an’ireo ekipa roa ireo.

Fandaharan-dalao anio talata 10 jolay :

08:00-Asot A/Manga # Som Boeny

10:00-Mifa # Ascuf

12:00-Askam # Ac Sab Nam

14:00-Prescoi  # As Comato

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT