Sport

Baolina Kitra vehivavy Mahavelom-bolo ny ao Betafo


  • Alatsinainy 20 Febroary 2023

Manomboka tia baolina kitra vehivavy ny mponina ao Betafo. Mifarimbona rahateo moa ny rehetra hamelomana ity kitra vehivavy.

Ankoatry ny Open izay karakarain-dry Masera dia efa nanomboka ny Fifaninanana 8 martsa izay karakarain'ny solombavambahoaka, ny Dokotera Lova. Tomefy olona ny kianja marapenitra ao an- toerana Ary miisa 11 ireo mpandray anjara. Mahavelombolo ny ho avin'ity tanjany ity raha ny zavatra hita hatreto, ary misy ireo tena mahafehy azy raha tsy hiteny afa-tsy Voahirana Rasoarilalao sy Aina Martine samy mpilalao ai amin'ny STPL. Fa raha ny lalao omaly tolakandro aloha dia nanjakan'ny Akany Fanantanjahantena Amboniavaratra Miray (AFAM) izay nandresy 4 noho 0 ny FAM Masera. Nomontsanin'ny Oratorio tamin'ny isa 4 noho 1 koa ny Ankoay raha 2 noho 1 no nandresen'ny Club des Dames ny Faneva.
Legende : Ny mpilalaon'ny AFAM Amboniavaratra ireto no tonga amin'ilay fiteny hoe kely fa dadany
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT