Baolina kitra vehivavy

Lasa any Comores daholo ireo sangany…


  • Alarobia 13 Martsa 2024

Lasa paradisa kely ho an'ireo mpilalao baolina kitra vehivavy ny atsy Comores.

Saika efa any daholo mantsy ireo mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Ny Olympic Moroni no nanokatra ny lalana ho an'ireo Malagasy ary saika misy mpilalao avy aty daholo ireo klioba any an-toerana. Maro amn'ireo no efa ao amin'ny Olympic Moroni ary voalohany amin'izany i Christina Razanamampiavy izay tena mpanjaka kely mihintsy ary efa imbetsaka voafidy ho mpilalao mendrika indrindra. Mbola tena kely izy no nobeazina tao amin'ny Dragon avy nitety klioba maro ary tany Itasy tamn'ny ASKAM izy talohan'ny nipndranany any Comores. Nanaraka an'i Christina koa ny mpilalaon'ny ASKAM roa sady mpilalao iraisam-pirenena dia i Maria Sarah Rasoanandrasana sy Vero Diana Andrianandrasana. Mbola misy Malagasy telo miampy an'ireo no ao amin'ny Olympic Moroni dia i Rodline Volazandry, Elysa Rasoarimamonjy sy Joelina Rima. Mbola misy avy any Tanzanie koa milalao ao. Isany hoe efa tena ekipa matihanina ry zareo. Mikarama sady hiantohana ny trano sy ny fahazoan-dalana monina any nefa tsy manao afatsy baolina. Mandray anjara amin'ny fifaninana misy eto Afrika izy ireo ary mifandona amn'ireo henjana toa an'ny Mamelodi Sundowns Afrika Atsimo na ny Young Africain atsy Tanzanie. Mikasika ireo mpilalao malagasy hafa dia tena nanao be fandroaka ny Moa Club any Anjouan fa tonga dia Disciples telo tamin'ireo voahositra ho tompondakan'i Madagasikara. Ankoatra an'i Mina mpiandry tsatokazo dia lasa any koa i Volana sy Matrepy. Mbola misy Malagasy milalao daholo ireo nosy telo isan'ny mandrafitra ny Comores ary dia mbola mitohy ny fakana ireo mpilalao malagasy satria lasa mampiditra vola ny baolim-behivavy. Ny aza hitako mety hahazo hizaka ny zom-pirenena komorianina ry zareo izay isika vao tena ho very. Ny politika eto an-toerana rahateo tsy mamela ireo ankizivavy hivelatra ka any amin'ny izay ahitany tombontsoa aloha no hironan'ny sainy.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT