Sport

Baolina kitra vehivavy Hisy fifaninanana an-tsekoly ho an`ny sokajy U-15


  • Zoma 15 Janoary 2021

Anisan’ny Federasiona voasafidy hanatanteraka andrana amin’ny tetikasa

 

 

 

volavolain’ny CAF hampiroboroboana ny baolina kitra vehivavy ny Federasiona Malagasin’ny Baolina kitra. Hisy, araka izany, « mini-championnat » mandritra ny 3 volana ireo sekoly ireo ka zazavavy 15 taona no midina no handray anjara amin’izany. Sekoly miisa 8 aloha no hiara-hiasa amin’ny federasiona amin’ny fanatanterahana izany, amin’ny alalan’ny Concours scolaire CAF U15-Football Féminin. Anisan’izany ny Collège de France, Collège Rasalama, ESCA Antanimena, CEG Nanisana, CEG Antanimbarinandriana, CEG 67 Ha, , CEG Analamahitsy ary ny Collège St Michel Amparibe. Mialoha an’izay anefa dia hisy ny fampiofanana (Licence D) ho an’ireo mpampianatra fanatanjahantena sy tompon’andraikitra eo anivon’ireo sekoly tsirairay avy. Marihina fa hezahina aparitaka manerana ny Nosy ity tetikasa ity amin’ny andiany manaraka mba ahafahan’ireo faritra rehetra misitraka izany. Nisy ny fihaonana voalohany tamin’ireo talen-tsekoly sy ireo tompon’andraikitra ara-panatanjahantena tao Isoraka, mba ho fanomanana sahady ny hetsika izay hotontosaina.

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT