Baolina Kitra vehivavy

Hiofana any Le Caire i Hanjavola Dominique


  • Zoma 31 Mey 2024

Tafiditra ao anatin'ny lisitry ny mpitsara baolina kitra avo lenta vehivavy i Hanjavola Dominique.

Hanaraka fiofanana any Le Caire izy ny 9 ka hatramin'ny 13 jona izao ity mpitsara izay tena reharehan'ny Betafo tany niaviany. Efa ela no nampiseho ny fahaizany ity mpitsara iray ity saingy izao izy vao hitan'ny olona. Modely izy raha izany fitsarana baolina kitra izany noho ny fahatsorany nefa dia tena voafehiny na dia ny lalao ataon'ny lehilahy aza. Misy mihitsy aza ny mampitovy amin'ilay kintana frantsay Frappart saingy tsy ho hita izy raha tsy ny sehatra avo toy ny CAN ireny. Lalana izay nahitan'ny FIFA an'i Pelagie izay efa mpitsara mpanampy nitety izao tontolo izao. Ary raha ny vinavina aloha dia mety hanaraka ny diany koa ity Dom ity, anarana izay tena ahafantaran'ny mponina aty Betafo azy.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT