Sport

Baolina kitra vehivavy Diviziona Elite Lasan’ny Askam Itasy ny amboara 2018


  • Alatsinainy 20 Mey 2019

Nifarana tamin’ny sabotsy 18 mey 2019 teo teny amin’ny kianjan’i Carion ny tamin’ny alalan’ny fanatontosan’ny andro faha-7 ny andiany faha-3 ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny

 

 

baolina kitra vehivavy Diviziona Elite taona 2018.  Ny vokatra azo tamin’io andro faha-7 farany : Ascuf (5) 1 – 1 (4) Prescoi ; Som (3) 2 – 2  (0) As Comato ; Mifa 1 – 2 Asot ; Askam 5 – 2 Ac Sab Nam. Rehefa natambatra ireo isa azo tamin’ny andiany voalohany sy faharoa ary fahatelo tamin’ity fifaninanana ity dia voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara 2018 eo amin’ity fifaninanana DEFF ity ny Askam Itasy isa 54 izay nahazo ny medaly volamena sy ny amboara lehibe ary ny taratasim-bola 3.000.000 Ar, faharoa ny Ac Sab Nam Analamanga isa 52 medaly volafotsy sy amboara ihany koa ary taratasim-bola 2.000.000 Ar, fahatelo ny Asot Analamanga isa 38 medaly alimo sy amboara ary taratasim-bola 1.000.000 Ar. Notolorana ny amboaran’ny “Fair Play” kosa ny ekipan’ny Ascuf Matsiatra Ambony. Saika mpilalaon’ny Aska Itasy avokoa ireo nibata ny amboara hafa samihafa ary notolorana 500.000 Ar avy. Ao ny mpilalao mendrika indrindra : Marie Sarah n°8, mpiandry harato mendrika indrindra i Nanah n°1, mpampidi-baolina mendrika indrindra nahatafiditra baolina 33 i Christina Aimée, ary ny mpanazatra ity ekipa ity dia i  Betty. Niavaka ny fanotronan’ny solontena 2 avy amin’ny Fifa sy mpikambana 2 avy amin’ny “Comité de normalisation Fmf” an’ity famaranana ny DEFF teny Carion ity.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT