Sport

Baolina kitra vehivavy « Division Elite » Vita omaly ny antsapaka


  • Zoma 25 Aogositra 2017

Taorian’ny dingana voalohany notontosaina tany Mahajanga ny 4-12 aogositra 2017 teo dia hiatrika ny dingana faharoa eny amin’ny kianjan’i Carion eto Antananarivo manomboka ny 25 aogositra izao ka hifarana ny sabotsy 2 septambra 2017 ireo ekipa 8 ao anatin’ny baolina kitra vehivavy "Division Elite".

 

 Vita omaly alakamisy 24 aogositra 2017 teny amin’ny « Maison du foot-ball » eny Isoraka ny antsapaka fizaram-bondrona sy amin’ireo  lalao hotanterahina ao anatin’ny andro dimin’ny fifaninanana. Nozaraina ho vondrona 2 ireo ekipa 8 ireo ka ao amin’ny vondrona A no ahitana an’ny PRESCOI Vakinankaratra,  miaraka amin’ny ASKAM Itasy izay nandrombaka ny laharana 1 tany Mahajanga sy ny MIFA Analamanga ary ny ASOT Analamanga ihany koa. Ao amin’ny vondrona B kosa no ahitana ny ASCUF Matsiatra Ambony sy ny AC SABNAM Analamanga ary ny SOM Boeny sy ny AS COMATO Atsimo Andrefana. Ny 25 aogositra izao no hanatanterahina ny andro voalohany amin’ity dingana faharoa ity ka ny Fc Prescoi # Asot (A), ny Ascuf # As Comato (B), ny Askam # Mifa (A) ary ny Ac Sab Nam # Som (B). Marihina fa ny dingana faha-3 amin’ity fifaninanan’ny baolina kitra vehivavy “Division Elite” 2017 ity dia hotontosaina ny 6-14 oktobra izay mbola faritana ny toerana hanaovana azy. Raha ny marina dia aorian’ny fiatrehan’ny ekipam-pirenena vehivavy Malagasy ny Cosafa 2017 vehivavy hotontosaina any Bulawayo any Zimbabwe ny 13-24 septambra 2017. Hisy indray ny fampivondronana an’ireo mpilalao vehivavy mendrika aorian’ity dinga faha-2 ity ka hiatrika an’io fifaninanana Cosafa 2017 io. Efa vita tamin’ny alarobia teo tatsy Afrika Atsimo moa ny antsapaka fizaram-bondrona amin’izy ity ka ao amin’ny vondrona A miaraka amin’i Zimbabwe sy Zambie ary Malawi no misy an’i Madagasikara.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT