Sport

Baolina kitra vehivavy Division Elite Mbola misongadina hatrany ny Askam Itasy


  • Alarobia 31 Janoary 2018

Tontosa omaly teny Carion ny andro faha-3 eo amin'ny tompondakam-pirenena Diviziona Elita sokajy Vehivavy. Nisongadina tamin'ity andro farany ity ny fandresena goavana azon'ny ASKAM Itasy 7 no ho 0 nanoloana ny AS COMATO Atsimo Andrefana.

  Tsy nampiasa hery loatra ry Kanto, Haingo ary Tinah dia nibata fandresena. Taloha kelin'io dia nampidera ny talentany ihany koa ry Faridah sy Domoina ary Larissa avy ao amin'ny ASOT izay nandresy an'ny FC PRESCOI tamin'ny isa 3 no ho 0. Ireo vokatra hafa : ASCUF (Matsiatra Ambony) 3-1 SOM (Boeny), Mifa (Analamanga)1-1 SabNam (Analamanga) tab 3-2.
Amin'ny alakamisy ho avy izao ny lalao manasa-dalana eny Carion ka ASKAM # SabNam , ASOT #MIFA ary ny lalao famaranana kosa dia etsy Mahamasina ny sabotsy 3 febroary 2018 amin'ny 2ora30.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT