Sport

Baolina kitra vehivavy “Division Elite 2018” Any Antsirabe nanomboka omaly 14 mey ny dingana voalohany


  • Talata 15 Mey 2018

Raikitra indray ny fifaninanana baolina kitra vehivavy “Division Elite 2018”. Any amin’ny kianja Velodrôme ao an-tanànan’Antsirabe Vakinankaratra no hanatanterahana ny dingana voalohany nanomboka omaly alatsinainy 14 mey ka hitohy hatramin’ny faha -26 mey 2018 ho avy izao.

Ekipa 8 nosokajiana ao anaty vondrona tokana no mandray anjara dia ny Askam (Itasy) tompondaka farany, Prescoi (Vakinankaratra) mpampiantrano, Sab Nam, Mifa, Asot (samy Analamanga), Ascuf (Matsiatra Ambony), Som (Boeny) ary Comato (Atsimo Andrefana). Toy ny tamin’ny taon-dasa dia hisy dingana 3 hatrehan’ireo ekipa 8 mialoha ny hifandrinan’ny 4 voalohany indray amin’ny dingan’ny famaranana. Amin’ny volana jona no hanatanterahana ny dingana faharoa ary any amin’ny volana jolay ny dingana faha-3 samy mbola hofaritana amin’ny manaraka avokoa ny toerana hanatanterahana azy.

 

Vokatry ny andro voalohany tany Antsirabe :

Sab Nam 3 – 0 Askam (tsy nety nilalao afa-tsy tamin’ny 1er mi-temps) ; Som 4 – 2 Ascuf ; Mifa (4) 1 - 1 (3) Asot ; Préscoi (0) 0 – 0 (1) Comato.

 

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT