Sport

Baolina kitra “Tsy ampy fanomanana ireo ekipa Malagasy”


  • Alatsinainy 22 Aogositra 2022

Kianja Mahamasina, izay ihany kianja manana fahazoan-dalana vonjimaika na “homologation provisoire" avy amin'ny CAF sy FIFA eto Madagasikara, hoy ny mpamakafaka ara-panatanjahantena, Mirado Rakotoharimalala.

Misy fanamarihana vitsivitsy arosoko ireto, hoy izy. Ireo lalaom-pirahalahiana ireo no fanomanantenan'ny Barea, CFFA ary Elgeco Plus hiatrika lalao iraisampirenena eo Mahamasina amin’ny volana septambra izao. Tsy hanana tombony tsara indrindra noho ireo fifandonana ireo mialohan'ny hihaonana amin’ny ekipa vahiny. Io kianjan'i Mahamasina io tsy hoe akory mandray lalao isan'andro. Tsy mihoatry ny 10 isa isan-taona. Raha ny fikojakojana sy fikarakarana dia resaka fitantanana na “management” sy fandrindrana na “planification” izany. Mila mifampizara vaovao haingana. Zava-dehibe ny hoe ny kianja hilalaovan'ny ekipantsika any ivelany ary rehefa eo Mahamasina dia 99% bozaka voajanahary avokoa. Isika anefa eto Madagasikara rehefa manao fifaninanana na fanazarantena dia amin'ny bozaka sentetika. Misy elanelany be ny filalaovana amin'ny natoraly sy sentetika. Tsy maintsy atao marina ny hazakazaka, ny fandraisam-baolina, ny daka, ny fanoloram-baolina, eny fa na ny kitron-kiraro, izany hoe, ny “crampons” sy ny rehetra. Mila mandray sy miaina ny tontolo iainana an'ny kianja hilalaovana ny ekipa. Raha tsy izany dia toy ny milalao any ivelany ihany. Ny Stade de France na ny Wembley Stadium sy ny rehetra dia manome lanja na "priorités" ny ekipampirenen'izy ireo na ny klioba raha ilaina izany. Ary dia manao fitantanana na «gestion du stade» arakarak'izay. Fehiny, raha tiana hahazo vokatra tsara ny ekipa dia tsara omena fahafaha-manomana na ‘’conditions de preparation” tsara arak'izay tratra. Resaka kianja fotsiny io fa tsy hoe inona akory. Ny miandry antsika be dia be nefa ny fanamorana ny hanatrarana tanjona vitsy kely saingy mankahery ny mpilalao sy ny ekipa, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT