Sport

Baolina kitra « Tournoi de vacances 3FA 2017 » Nanao pao-droa ny Bayern Andrefan’i Mananjara


  • Sabotsy 26 Aogositra 2017

Tontosa teny amin’ny kianjan’Alarobia Antananarivo, ny alakamisy 24 aogositra teo ireo lalao famaranana ny baolina kitra “tournoi de vacances 2017” ho an'ny sokajy 10 , 13 , 15 , 17 taona ary ny vehivavy nokarakarain'ny club 3FA Avaradrano tarihin-dRakotonirina Harison Philibert.

Nilaza ho afa-po tamin’ny fikararana ny hetsika ity farany  satria dia ekipa maro mpitaiza tanora amin'ny baolina kitra  no tonga namaly ny antso ka nandray anjara tamim-panajana tanteraka. Tonga nananome voninahitra an’ity hetsika famaranana ity sy nanolotra ireo amboara hoan’ireo mpandresy ny depioten’Avaradrano, Andriamitantsoa  Benjamin Andriamitantsoa. Nanao pao-droa ny ekipan’ny Bayern Andrefan’i Mananjara izay nandrombaka ny amboara teo amin’ny sokajy U 13 raha nandresy ny Ersa Antanandrano 3-0 sy teo amin’ny sokajy U 15 ka nandresy ny Ffb Antsirabe “tirs au but” 4-3.

Ireo vokatra hafa :

Sokajy  U 10 : Ffb Antsirabe 2 – 1 Ffi Ivandry

Sokajy U 17 : Zamia/Rfb Atsimondrano 2 – 1 Jet Mada

Sokajy Vehivavy : 3Fa Avaradrano 5 – 4 Ezama Andrefanambohijanahary « tirs au but »

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT