Sport

Baolina kitra - Tounoi de Pâques 2020 Faritra 4 no efa manana solontena handray anjara


  • Alakamisy 19 Martsa 2020

Faritra 4 ankehitriny no efa fantatra fa hanana solontena handray anjara amin’ny fifaninanana baolina kitra “Tounoi de Pâques 2020” andiany faha-5

 

 

karakarain’ny Club 3Fa izay ho tontosaina ao amin’ny kianja Commune Ankadikely Ilafy manomboka amin’ny sabotsy 11 aprily ka hatramin’ny alahady 18 aprily 2020 dia ao ny Faritra Analamanga ahitana ny :3fa Avaradrano , Rafa Ambohitrarahaba , Boca Espoir Sab/Nam , Fc Viva Antehiroka , Fc 105 Avaratr’Ivato ,Ravinala Ambatomitsangana , Irfc Ilafy , Afc Ankadikely, Jsa Ankadikely , Soldat Tsarafara , Ersa Antanandrano , Akami Ankadikely , Ast Manarintsoa Namehana , Fc Viro Sab/Nam , Osfoot Mahamasina, Varatra Androhibe , Tranokala Ambohinaorina , Cftfc Anatihazo Isotry ary ny Tfc Sab/Nam,  ny  Faritra Vakinankaratra ahitana ny : Ascas Antsirabe sy Lynx Antsirabe, ny Faritra Atsinanana misy ny : Ajeset Tamatave sy  Abt’Etoile Fenerive Est, ary ny Faritra Boeny misy ny : Fc Tsaramandroso , Fcjfa Amborovy ary ny  Monjangay Fc Boeny . Nanambara tamin’ny resadresaka nifanaovana taminy teny Antanandrano Atoa Rakotonirina Harison Philibert filohan’ny 3Fa Avaradrano fa :  “mba hahatomombana an-tsakany sy an-davany ny fifaninanana dia noferana ny isan’ny ekipa handray anjara isaky ny sokajy. Efa miroso tsara ny fanomanana ankehitriny, hoy izy, ka efa raikitra fa ao amin’ny  CEG Ankadikely no handraisana an’ireo ekipa ivelan’ny faritra Analamanga. Amin’ny sabotsy 28 martsa 2020  manomboka amin’ny 02 ora tolakandro dia hisy ny fivoriana hiarahan’ireo solotenan’ny ekipa avy eto Analamanga sy ny mpikarakara ao amin’ny CEG Ankadikely ho fandaminana farany sady fandraisana ny saram-pandraisana anjara mialoha ny hiatrehana ny fifaninanana.  

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT