Sport

Baolina kitra – Tompondakan’ny Ligue 1 Alfa Nirava 2-1 avokoa ireo lalao 4 tontosa omaly alatsinainy


  • Talata 14 Janoary 2020

Nirava 2-1 avokoa ireo lalao 4, ao anatin’ny andro faha-9 tamin’ny fifaninanana fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga « Alfa » sokajy Ligue 1,

 

 

tontosa teny amin’ny kianja sentetika St Vincent de Paul eny amin’ny Complexe Sportif Akamasoa eny Bemasoandro Ambohimahitsy araka ny vokatra : Cospn 1 – 2 Ct Tfc ; Cffa 1 – 2 As St Michel ;  Fosa Jr Espoir 2 – 1 Net Foot ; Mi-20 1 – 2 Uscafoot. Mitarika  vonjimaika ny Uscafoot amin’ity fifaninanana ity manana isa 24 arahin’ny Five Fc sy ny Mi-20 akaiky. Lalao 3 sisa no hatrehan’izy ireo amin’ity fifanintsanana ity dia izay hihaonany amin’ny Kinga Sport amin’ny zoma 17 janoary (andro faha-10) eny amin’ny kianja St Vincent de Paul hatrany dia ireo lalao hifanandrinany amin’ny Fosa Jr Espoir sy ny Five Fc amin’ny andro faha-11 sy andro faha-12. Araka ny nambaran’ny filohany, Gégé Bosco nanatrika ny lalao teny Bemasoandro omaly alatsinainy dia efa miomana amin’ny fandraisana anjara amin’ny fifaninanana Telma Coupe de Madagascar 2020 ihany koa ry zareo ankehitriny.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT