Baolina Kitra

Tompondakan'i Madagasikara ny Disciples FC


  • Alatsinainy 01 Jolay 2024

Ny fandresena ho an'izay tena maniry azy. Koa satria efa nivonona ny handrombaka ny

anaram-boninahitra maha tompondakan'i Madagasikara azy ny Disciples dia tena izay tokoa no niseho nandritra ny famaranana omaly tetsy amin'ny kianja tetsy By Pass. Famaranana izay tsy azo lazaina niady ihany satria efa mifankahita fomba filalao ny Elgeco Plus sy ny Discipled izay efa tao anaty Vondrona iray an'ity Coca Cola PFL ity. Saingy ny te hanana tsy mahaleo ny ambinina koa dia nitodika tany amin'ny Disciples ny vintana. Tena vintana satria dia namono tena ny Elgeco Plus no nahatonga ny isa tokana io. Nivoaka i Nina nefa nisy tolotra tsara avy any amin'i Éric nifanjevoana tao anati'ny faritra 22 metatra. Tokony nihoatra an'io ny isa azon'ny Disciples saingy natelin'i Ali Tibotibo ny kiririoka raha nandray tanana teo amin'ny faritry ny 5,50 m ny vodilaharan'ny Elgeco Plus. Tsy izay ihany anefa no hadisoan'ity mpitsara avy any Mahajanga ity satria dia nojeteny fotsiny i Tony namaly botana ny hadisoan'i Mando.Ny tena nahagaga dia nomeny karatra mavo ny mpilalaon'ny Disciples ary tsy nomeny na dia fanamarihina am-bava fotsiny ihany aza i Tony. Vita moa ny baolina ka tsy nasian'ny mpijery avy any Betafo tohiny ireo hadisoana bevava ireo.Rakotra menamena anefa ny kianja ary angamba tsy nisy olona intsony tany Betafo fa tonga hatramin'ny lehiben'ny Distrikta ary Dr Lova Fiarovana izay solombavam-bahoaka vao lany fanindroany teo.Ny marina dia tena mampiray ny baolina kitra ary tsy mifidy loko sy taona. Izay ilay baolina kitra ary inoana fa aorian'izao dia vao maika hiroborobo ity taranja iray ity.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT