Sport

Baolina kitra teny Ambavahaditokana Nanjaka tanteraka RFB Zamia


  • Talata 25 Aprily 2017

Nifarana ny alahady teo rehefa naharitra telo andro ilay fifanintsanana lalao baolina kitra ho an’ireo klioba mpilalao ao amin’ny kaominina Ambavahaditokana tao anatin’ilay hetsika « Challenge ASCA » andiany faharoa.

 

Nizara ho sokajy roa samihafa  ny lalao  raha tsiahivina dia ny U-11 latsaky ny 12  taona sy ny U-13 latsaky ny 14 taona. Ao anatin’ny U-11 ny vondrona A dia nahitana ny Ajesaia, Releve Patisserie, Asca Foot, As Standard. Ny Tana formation, Os Foot, Net foot, Rfb Zamia ary ny Espoir Mada kosa no tao amin’ny vondrona B. Ho an’ny U-13, ny vondrona A dia nahitana  ny ekipan’ny Asca foot, Os Foot, Tana Galaxy ary  ny Ajesaia, As Standard, CFSL no tao amin’ny vondrona B. Nizotra tamim-pilaminana ny lalao tamin’ny ankapobeny, hoy Ratinarivo Bruno, ben’ny tanànan’Ambavahaditokana izay ray mpiahy ny lalao.  Anisan’ny nisongadina ny ekipan’ny RFB Zamia na tamin’ny lalao baolina kitra  U11 na ny U 13  lalao izay ezahina hotohizana hatrany entina hanampiana ireo tanora ao an-toerana. Hotanterahina ny volana jona ho avy izao ihany koa ny fifaninanana isam-pokontany ho an’ireo lalao tsipy kanetibe.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT