Sport

Baolina kitra Telma Coupe de Madagascar 2020 Niakatra ho 1.000.000 Ar ny sandan’ny fisoratana anarana


  • Alarobia 08 Janoary 2020

Efa nisokatra tamin’ny 20 desambra teo ny fisoratana anarana ho an'ireo klioba vonona handray anjara amin'ny fiadiana ny amboaran'i Madagasikara eo amin'ny baolina kitra na ny « TELMA COUPE de Madagascar ».

 

 

 

 Ankehitriny anefa dia mitaraina ny ankamaroan'ny klioba izay mikasa handray anjara amin'izy ity  satria dia lasa midangana be ny saram-pisoratana anarana. Araka ny angom-baovao teo anivon'ny FMF dia hakarina . ho 1.000.000 ar io saram-pisoratana fandrasana anjara io raha 200.000 ar teo aloha;. Ny antony dia ny hiakaran'ny haavo teknikan’ireo mpandray anjara satria tsapan’ny teo anivon'ny FMF fa saika manadrankandrana mandray anjara amin'ny fifaninanana avokoa ireo klioba kely izay eny anivon'ny fokontany eny. Izay ekipa vonona tena hiady  marina, araka izany,  no kajiana handray anjara. Misy koa anefa ireo mpitantana klioba vaventy no mitaraina satria dia  saika nikasa handahatra klioba roa kenefa mavesatra ny handoa 2.000.000 ar  nefa ny fandehanana hiatrika ny fifaninanana etsy an-daniny, Efa lasa mitovy izany izao ny sanda haloan’ny klioba miatrika ny fifaninanana Pro league sy ny Telma coupe de Madagascar saingy iry voalohany dia haverina ny antsasany raha tsy mitsoaka an-daharana fa mamita  ny lalao rehetra hatramin’ny farany ilay klioba.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT