Sport

Baolina kitra sokajy zandriny Anio ny manasa-dalana etsy Mahamasina


  • Talata 24 Desambra 2019

Hotanterahina anio talata 24 desambra 2019 etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina ny manasa-dalana amin’ny fiadiana ny ho

 

 

tompondakan’ny baolina kitra sokajy zandriny ao amin’ny seksiona Antananrivo Renivohitra. Nambaran’ny “Président de commission de competition” ao amin’ity rafitra ity teny Betongolo, Atoa Rakotomanana Pierrot, fa ny  sokajy taona 7,8 9 no hanokatra izany manasa-dalana izany manomboka amin’ny 8ora30 maraina dia ho tohizan’ny ao amin’ny sokajy 10 sy 11 taona, arahin’ny sokajy 12 sy 13 taona, avy eo ny sokajy 14 sy 15 taona ary hofaranan’ny manasa-dalan’ny sokajy U 17. Nomarihan’ity tompon’andraikitra ity fa hiaraka hotanterahina amin’ny famaranan’ny baolina kitran’ny seksiona Antananarivo Renivohitra ao Mahamasina, faha-29 desambra 2019, avokoa ny famaranana amin’ireo fihaonana rahampitso ireo.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT