Sport

Baolina kitra seksiona Ambohidratrimo Tompondaka 2018 ny ASCT Mahitsy


  • Alarobia 30 Janoary 2019

Voahosotra ho tompondakan’ny seksion’ny baolina kitran’Ambohidratrimo taona 2018 ny ekipan’ny ASC Tridan avy eny Mahitsy. Resiny tamin’isa 2-0 tamin’ny alahady teo, tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina, ny ekipan’ny Fc Talent Academy avy eny Ivato.

 

 

 Noho ny nanatrehantsika ny fifidianana filoham-pirenena tamin’iny faramparan’ny taona 2018 iny dia voatery nahemotra tamin’ity volana janoary 2019 ity io lalao famaranana 2018 io, hoy ny filohan’ny seksiona, Randrianaivoarivony Jeannot, teny Mahamasina omaly. Tafavoaka ho laharana faha-3  kosa ny Espoir Ambohimanarina nandavo ny Fc Viva Antehiroka tamin’ny tirs au but 4-3 rehefa nirava ady sahala 1-1 ny roa tonta teo amin’ny fiadian-toerana. Ireto ekipa 4 ireto dia hiatrika ny D-2 ao amin’ny ligin’Analamanga amin’ity taom-pilalaovana ity. Tonga nanolotra ny amboaran’ny mpandresy teny Mahamasina tamin’io alahady io ny filohan’ny ligiin’ny baolina kitra eto Analamanga. Voahosotra ho mpilalao mpampidi-baolina indrindra tamin’ny fifaninanana i Hasina (Fc Talent) ary mpiandry harato mendrika indrindra kosa i Josoa (Asc Tridan).

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT