Baolina kitra

Sao dia ity Teva ity no vahaolana


  • Alakamisy 14 Desambra 2023

Raha mbola mieritreritra hitady mpiandry tsatokazo avo lenta ny Barea dia io fa mipoitra ho azy i Teva Gatdies

izay malagasy ny reniny. Tsy mila tadiavina toy ny sasany izany ny maha Gasy ity mpiandry tsatokazon'ny Paris FC, ligy 2, fa dia io izy. Sady taviny no volony. Mitefy 2m 02 ary milanja 87 kg ity tovolahy izay vao 22 taona monja. Hatramin'izay mantsy dia isan'ny hery lehibe ho an'ny ekipam-pirenena ny fananana mpiandry tsatokazo lava sy ranjana. Teo i Fernand Rafalimanana Goaly Be, teo koa Charlot Andriamady ary Popaul Razafidralambo. Samy nahazoantsika vokatra tsara. Tany amin'ny FC Sète N1 ity Teva ity tamin'ny taona lasa dia izao nalain'ny Paris FC izao. Fampatsahivana kely fotsiny no hilazana fa efa notsaina tao amin'ny Paris FC koa i Nina saingy tsy nisy valiny dia izao lasan'i Teva Gardies izao ilay toerana. Ary matpa noroso tamin'izay ny Paris dia tsara izany ity tovolahy ity ary tsy ho sarotra ho azy ny haka ny toeran'i Adrien Melvin. Mifakahazp resaka rahateo ireto créole ireto ka inoana fa tsy ho sarotra ny resaka. I Roro Rakotondrabe koa dia mbola hanao fiofanana ao amin'ny Paris FC amin'ny janoary io ka ho hita eo ihany.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT