Baolina Kitra- Roro Rakotondrabe

"Miankina amin'ny mpilalao no mahalasa lavitra !"


  • Talata 16 Jolay 2024

Miketrika isan'andro izay hanatsarana ny Barea ny mpanazatra Roro Rakotondrabe.

Tena manaiky izy fa raha tonga daholo ireo mpilalao tena avo lenta dia afaka miandrandra vokatra tsara ny Malagasy na any amin'ny fiadiana ny Amboara eran-tany aza. Toy izao ny resadresaka nifanaovana taminy.
Tia Tanindrazana : Miditra amin'ny CAN 2025 sy ny fifanitsanana eo amin'ny fiadiana ny Amboara eran-tany. Aiza ho aiza ianao izao ?
Roro Rakotondrabe : Tena eo am-piketrehana satria raha eo daholo ireo mpilalao heverina avo lenta dia mety lasa lavitra ny Barea. Miankina betsaka amin'ny mpilalao hajoro izany ny tohin'ny tantara.
Tia Tanindrazana : Mety lasa lavitra ve izany ny Barea raha omena anareo daholo ny fitaovana mikasika izany ?
Roro Rakotondrabe : "Miankina amin'ny mpikalao ihany no mahalasa lavitra fa tsy manana safidy fa izay eo am-pelatanana no hampiadina. Mikasika izay dia disoako ny filazana fa efa nanaiky ho avy i Andy Pelmard. Tsy marina izany. Ary raha misy aza dia aza adino fa mety tsy ho afaka izy satria sahirana hitady klioba vaovao satria tapitra ny fifanarahany tamin'ny kliobany. Mety izay koa no hiseho amin'ny Francis Coquelin fa hita eo ny tohiny."
Tia Tanindrazana : Re koa izao fa niala tao amin'ny US Saint Gilloise i Loic Lapoussin ka mety tsy hp afaka koa izy ?
Roro Rakotondrabe : Mbola baraingo satria sarotra ny miantso mpilalao iray tsy milalao sy tsy manana klioba. Ary tsy izy irery fa arahana akaiky koa amin'izao i Sonny Laiton izay niala tao Auxerre."
Tia Tanindrazana : Fa mahay i Sonny Laiton na izany aza ?
Roro Rakotondrabe : " Tena mahay izy ary izay no hitenenako hoe rehefa hita fa mahafehy ny zavatra andrasana aminy dia izay no tena zava-dehibe. Singaniko manokana i Clément Couturier izay milalao ao amin'ny Swift Hespéranze any Luxembourg izay eo ho eo ihany ny ahavon'ny fifaninana fa ny zavatra nasehony aloha hatreto dia tena nahafapo. Toy izany koa i Louis Demoléon ao amin'ny Budoni izay diviziona fahatelo nefa niaraha-nahita ny nataony. Na iza na izy teo amin'ny toerany dia tsy maintsy nanao iny fihetsika nahazoany karatra mena iny satria dia efa kaontin'ny baolina efa maty iny nanoloana ny Mali iny."
Tia Tanindrazana : Ary ahoana indray io kianja ao Mahamasina tsy nahazoana fankatoavana io ?
Roro Rakotondrabe : " Ny mampalahelo anatin'io raharaha io dia tsy mahita baolina ny Malagasy. Fa ankoatra izay dia tsy dia manova n'inon'inona raha tsy ny vola lany. Mpilalao taloha aho ary sarotra ho anay ny milalao ao Mahamasina satria misy tahotra foana ny fahalalana fa masiaka ny mpijery baolina eto amintsika.
Tia Tanindrazana : Inona izany no soson-kevitrao hanatsarana ny Barea ?
Roro Rakotondrabe :"Tsy misy afatsy ny fiaraha-mientana. Mifanome tanana handresy lahatra ireo mpilalao anaty klioba lehibe any Eoropa. Tsy vitan'ny vava io fa mila mamoaka am-paosy toy ny ataon'ny olona raha tsy hiteny afatsy ny atsy Comores fotsiny. Eo amin'ny sehatry ny matihanina anie ka ny resa-bola no mandeha mialoha. Rehefa tonga eo ilay mpilalao dia jerena aloha raha tena mahay miaraka amin'ny ekipa fa ny fifankazahoana am-po koa ny isan'ny mampatanjaka ny ekipa iray."
Legende : Roro Rakotondrabe miantso fifanohanan'ny samy Malagasy
Nangonin'i Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT