Sport

Baolina Kitra - Pro League Romotra ny Disciples FC


  • Alatsinainy 17 Aprily 2023

Nanamarika ny andro faha 14 ny Orange Pro League ny namontsanan'ny Disciples FC ny Dato tao antananany

Nangidy ny riran' ireo mpijery marobe tao Manakara fa tsy nananan'ny Disciples antra mihitsy fa nampibabeny isa mavesatra 6 noho 1. I Mando no tena nisongadina fa nahafaty ny baolina telo raha iray avy ny an'i Coka, Tendry sy Liva. Tsy latsaka izany koa anefa no nanaovan'ny Fosa Juniors ny Tia Kitra tao amin'ny kianja Rabemananjara fa dia novelesiny tsy an-kijanona raha tsy tonga 7 noho 0. Asa aloha izay fanampahan-kevitry ny Pro League amin'ny herintaona fa tokony jerena akaiky izao vokatra izao raha mba te hiakatra ny haavo teknika satria dia lasa mampiady biby tsy mitovy. Mandra- piandry aloha dia toy izao ireo vokatra hafa tamin'ny faran'ny herinandro Vondrona Atsimo - Zanakala nandresy ny MAMA FC 3 noho 2 - CFFA nandresy ny JET Kintana 3 noho 0 - Elgeco Plus nandresy ny 3FB Toliara 2 noho 1 Vondrona Avaratra - ASA Nosy Be sy COSFA 0 noho 0 - Uscafoot sy AS Fanalamanga 0 noho 0.

Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT