Baolina kitra- Pro League

Ny akamakama no manjaka e !


  • Alarobia 25 Oktobra 2023

Raha mbola tsy fantatra marina hoe oviana indray ny Pro League no hanomboka dia mampiteny ny

moana ny fanapahan-kevitra noraisina ny amin'ny hitazonana indray ny Tia Kitra sy ny JET Kintana tsy hivarina any amin'ny diviziona faharoa araky ny lalana mifehy ity fifaninana ity hatrany am-boalohany. Mampieritreritra ihany hoe toa lasa akamakama izany ny fitondrana ny raharaha. Fantatra mantsy fa i Lova Ramisamanana no tompon'ny JET Kintana ary filoha lefitry ny Pro League no filoha mpanorina ny Tia Kitra. Tena vakiana fotsiny ity fanampahan-kevitra ity toy ny nampiarahana ny Elgeco Plus sy CFFA tao amin'ny vondron'ny gana malemy tamin'ny taon-dasa. Miandry ny KFC Antsiranana sy Inate Antsirabe indray izany ireo misehatra amin'ity Pro League ity. Ary dia mbola inoana fa hizara vondrona atsimo sy avaratra indray na dia fantatra izao aza fa tsy hampivoatra izany satria mbola tsy ampy ireo lalao ho an'izay tafita any Afrika. Dia mbola ho dingana voalohany dia ho vita toy ny Elgeco farany teo na dia efa nangonina daholo aza ireo heverin'ny mpanazatra Jimmy Radafison Koundé ho tsara. Ankoatra an'i Nina dia mbola tao koa ireo Barea nahitana an'i Datsiry sy Tony ary mbola nampiana an'i Feno ilay mpanafika avy ao amin'ny Ajesaia fa dia ny teo ihany no teo satria dia teo Mahamasina ihany no resy rehefa avy nanao sahala tany ivelany. Misy tsy milamina izany ny fomba hitantana ny Pro League, indrindra moa fa natao hanamorana ny fandraisana anjara any Afrika no antom-pisian'ity Pro League ity araky ny namolavolain'ny filohan'ny Federasiona teo aloha Arizaka Rabekoto Raoul azy. Mivaona amin'ny fifanarahana izany raha izao fandehany izao satria efa tsy izy izany fiadiana ny tompondakana tsy misy ekipa mivarina izany. Sao dia tokony haverina amin'ny FMF ihany ary satria ampy hanomezana sazy izao fanaovana akamakama izao. Mivonona amin'izany ve anefa ny filoha Alfred Andriamanampisoa izay namana akaiky ny filohan'ny Pro League Tota Henintsoa Rakotoharimanana ?
Clément RABARY
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT