Baolina kitra Pro League

Nitombo isa dia mitombo fahasahiranana


  • Alakamisy 03 Oktobra 2024

Mbola mety ho mafimafy noho ny tamin'ny taon-dasa ny hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan'i Madagasikara

ho an'ireo klioba mandray anjara ao amin'ny Pro League.Izay no valin''ny vokatra teo amin'ny diviziona faharoa izay nahitana ny fandresen'ny FC Avenir du Suf avy any Anosy.Tsy vitan'izay ihany fa avy any amin'ny farany atsimo dia mandeha any amin'ny faritra avaratra atsinanana no misy ny FC Théo izay samy lavitra ary saro-dalana.Ankoatra ny Elgeco Plus anefa dia ho sarotra ho an'ny rehetra izany handeha fiaramanidina izany ary ny vola azo rahateo tsy mahaleo ny sarany ny vidiny. Ny 12 000 000 ariary azon'ny FC Avenir izao dia fantatra fa tsy hahavita taona ary toa izany koa ilay 8 000 000 ariary nomena ny FC Théo.Dia tsy maintsy miverina amin'ny mahazatra ve izany ny CFEM ka hizara vondrona atsimo sy avaratra indray na dia hita aza fa ratsy ny vokatra satria dia "premier tour" dia vita ireo solontenantsika.Mbola nitambesaran'ny trosa aza noho ny tsy fisian'ny fankatoavana ny kianja Barea.Ny any Eoropa aza izao dia nanova ny fitsipika ny Ligue des champions mba handraisan'ny maro anjara. Ary mety ny azy hatreto satria dia marobe ireo mpijery tonga manohana Ny eto an-tanana anefa dia zara raha misy olona.Fatiantoka ho an'ny CFEM ary indrindra ho an'ny klioba no hita.Dia ho gaga ve raha mitotongana ny lentan'ny baolina kitra malagasy. Efa fa hatramin'ny Barea lehibe aza satria tsy tena manana mpilalao tena avo lenta isika. Raha tsy hoe angaha tena ho avy i Ludovic Ajorque izay tena velona be ao amin'ny Stade Brestois.Toa efa manangasanga any koa i Andy Pelmard sy Lilian Raolisoa raha diso ny filazana.Mba ireo aloha dia aleo tsy asiana resaka.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT