Sport

Baolina kitra « Poule des As » Voatanan’ny Fcv ady sahala ny Fosa Juniors


  • Alatsinainy 20 Aogositra 2018

Voatan’ny Fcv Vakiankaratra ady sahala 1-1 omaly alahady 19 aogositra tao amin’ny kianja Velodrôme Antsirabe ny Fosa Juniors Boeny izay mbola mitarika an’isa ihany aloha ankehitriny eo amin’ny filaharana vonjimaika ankapobeny taorian’io andro faha-3-n’ny “Poule des As”

 

 amin’ny “Thb Champions League Malagasy” io. Isa 7 ny azy amin’izao fotoana. Miakatra teo amin’ny laharana faha-2 vonjimaika kosa manana isa 6 ny CNaPS Sport Itasy nandresy ny Elgeco Plus Analamanga 3-1 teny Vontovorona. Laharana faha-3 mazava loatra ny Fcv Vakinankaratra isa 4. Sarotsarotra kosa ny toeran’ny Elgeco Plus Analamanga izay tsy mbola manana isa mihitsy ankehitriny satria resy hatrany tamin’ireo andro  3 voalohany tamin’ity fifaninanana ity. Amin’ny alahady 2 septambra izo indray ny andro faha-4 amin’ity “Poule des As” ity.

 

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT