Sport

Baolina kitra « Poule des As 2018 » Niova indray ny fandaharan-dalao


  • Sabotsy 04 Aogositra 2018

Niova indray ny fandaharan-dalao fanombohana ny lalao baolina kitra « Poule des As 2018 » amin’ny fiadiana ny « Thb Champion’s League Malagasy ».

 

 Etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina eto Antananarivo, araka izany, anio sabotsy 04 aogositra 2018 amin’ny 14 :30  no hanatanterahana an’izay lalao fanombohana an’ity fifaninanana ity izay ka handray ny Fosa Juniors Boeny amin’izany ny Elgeco Plus Analamanga. Ity farany araka ny fantatra no hisalotra ny akanjo miloko voninboasary manavanana ny roa tonta. Eny amin’ny kianjan’i Vontovorona kosa rahampitso alahady 5 aogositra, amin’ny 14:30 ihany, no handray ny Fcv Vakinankaratra ny Cnaps Sport Itasy. Ny faha-12 aogositra 2018 vao hifampitady any amin’ny kianja Rabemananjara Mahajanga ny Fosa Juniors Boeny sy ny Cnaps Sport Itasy raha any amin’ny kianjan’ny Velodrome Antsirabe kosa no handraisan’ny Fcv Vakinankaratra ny Elgco Plus Analamanga amin’io datinandro io.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT