Baolina kitra PFL

Voan'ny donaka ny CFFA


  • Alatsinainy 19 Febroary 2024

Izany tokoa ny hoe rehefa ho tonga ny loza dia latsaka hatramin'ny varatra.

Izay voan'ny donaka no tsy fantatra fa dia nahamay an'ny CFFA iny sabotsy teny amin'ny kianja Elgeco Plus. Tonga maro toy ny isan'andro anefa ny mponina Andoharanofotsy saingy endrika maloka no nentina nody fa voa ny tsy nampoizina. Izy tokoa moa no hanampo fa ho resin'ny 3FB Toliara ny CFFA. Nefa dia izay no nitranga io andro io raha namono ny baolina tokana i Jack (62). Hafaliana ny an'ny mpomba ny 3FB satria na izy ireo tsy nanampo hoe handresy ny CFFA ao antokontaniny ary mety ny mpitsarany koa aza. Nanamarika iny andro faharoa iny koa ny fandresena fanindroany an'ny Fosa Juniors izay nampiondrika ny USCAFOOT tetsy Alarobia tamin'ny isa 2 noho 1. I Donga no nitondra ny fandresena ho an'ireo Fosa Juniors. Fa fandresena faharoa koa no azon'ny Elgeco Plus raha nampiondrika 1 noho 0 ny Zanakala tao Ampasambazaha. Felaka tehamaina ho an'ny Zanakala iny satria nihevitra izy ireo fa tsy matahotra an'iza iza taorian'ny nandreseny ny 3FB tao amin'ny Kianja Maître Kira. Manakara ihany koa ny Dato nanoloana ny Disciples FC. 3 noho 1 ny baolina ka penalty matin'i Mostafa ny an'ny Dato. Tsila ( , Tendry (46) ary Joma Kely (64) no namono ny baolina ho an'ny Disciples. Toy izao ireo vokatra hafa nandritra ity andro faharoan'ny Pureplay Football League ity. - AS Fanalamanga sy ASA Nosy Be...1 noho 1 - COSFA nandresy Ajesaia...3 noho 2 - Inate FC Rouge resin'ny MAMA...0 noho 1 - Tsaramandroso nandresy ny KFCA...4 noho 2.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT