Baolina kitra PFL

Voalohany ny Disciples


  • Alatsinainy 15 Aprily 2024

Tsy niova ny filaharana taorianan'ny andro fahafito ny Pure Play Football League.

Mbola mitana ny laharana voalohany ao amin'ny Vondrona Atsimo ny Disciples FC izay nandresy ny Inate FC Rouge tamin'ny isa 2 noho 1. I Tinoh no nahafaty ny baolina roa an'ny Disciples izay mbola manaporofo fa manana olona mpamono baolina ity ekipa iray ity raha tsy hiteny afatsy Ludovic sy Tendry ary Dahery. Hidona amin'ny Lalao mandroso sy miverina amin'ny ekipa fahaefatra ao amin'ny Vondrona Avaratra izany ny Disciples izay mbola tsy fantatra na ny AS Fanalamanga na ny Tsaramandroso Formation saingy tsy fantatra raha nahavoaloa ny saram-pisoratana ihany ity ekipa avy any Mahajanga ity raha tsy izany dia ny Uscafoot fahadimy no miakatra satria nandresy mazava ny Ajesaia tamin'ny isa 4 noho 2 izy. I Feldman ilay JET Mada taloha no nampiditra ny baolina roa ho an'ny Uscafoot.Nandresy 1 noho 0 ny Zanakala ihany koa ny CFFA tao Ampasambazaha. Baolina matin'i Aurlando.Nomontsanin'ny Fosa Juniors kosa ny COSFA. Baolina roa matin'i André ary ny itay kosa novonoin'i Fetra (40).Mipetraka eo amin'ny laharana fahafito izany ny miaramila raha fahaenina ny KFCA izay nodarohan'ny AS Fanalamanga 2 noho 0. Miandry izay filaharana farany izany ny rehetra satria miankina amin'izay fanapahan-kevitra mikasika ny Tsaramandroso.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT