Sport

Baolina kitra PFL Vitavita ho azy ve ny fikasihan-tanana ?


  • Alarobia 13 Martsa 2024

Nisehoan-javatra mampalahelo ny fihaonanan'ny 3FB sy Dato tany Toliara.

Nefelahan'ny commissairen'ny lalao tampify mandrivorivo ny mpanazatra an'ny Dato Navalona. Fifamaliana taorian'ny lalao no niatombohany ary dia niditra an-tsehatra hatramin'i Francklin Andriamanativo, izay talem-paritry ny Fanatanjahantena any amn'iny faritra iny. Ny mahatalanjona dia ny fihetsiky federasiona izay tsy ahitan-teny ary tsy manameloka ny herisetra toy ireny. Fanindroany izany izao no nisehoan-javatra tsy dia mazava ny ao Toliara satria efa niharan'ny antsojay koa ny Zanakala taminlny lalao natao tany. Ary dia mijanona eo angamba iny raharaha iny satria ho sarotra amin'ny filohan'ny federasiona Alfred Randriamanampisoa ihany izany hanasazy filohan'ny ligy izay nifidy azy.Asa aloha fa tsy tokony hijerena izany ny fandraisana andraikitra.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT