Baolina kitra PFL

Tsy nampoizina ireo voka-dalao


  • Alatsinainy 08 Aprily 2024

Hafa kely ity andro fahaenina ny Pure Play Football League ity fa dia azo lazaina nitsimbadika ny rasa.

Tsy nisy nieritreritra ny Fosa Juniors ho resy izany nefa dia nofaozin'ny ASA Nosy Be tao Ambanja izy omaly. Nandresy 3 noho 1 ny ASA ary tena fandresena mazava tsy nisy dininika. Ary raha noeritreretina fa hitsangatsangana ny AS Fanalamanga tetsy amin'ny kianja Alarobia dia tsy izay no niseho fa dia resin'ny Uscafoot ihany koa ry zareo Moramanga. Mbola azo lazaina ho fahagagana kely koa ny nideho ny sabotsy teo teny amin'ny kianja Elgeco satria mitarika ao amin'ny Vondrona Atsimo ny Zanakala talohan'io lalao io kanjo dia nataon'ny Disciples nahita ny tsy fahita ary sambany ho an'ireto Fianarantsoa ireto no niforam-baolina efatra izany tao anaty lalao iray. Ny Zanakala anefa no nanokatra ny isa tamin'ny alalan'i Patrick saingy tsy ela taorian'izay dia nosahalan'i Joma ny isa (42). Vao nanomboka anefa ny fidirana faharoa dia nahafaty baolina indray i Liva izay isan'ireo zandrikely vao misondrotra ary manaraka ny politika napetraky ny Disciples. Ny sabotsy ary dia efa tsy nijoro i Tantely fa niverina kosa i Ando Rakotondrazaka nandrafitra ny vodilaharana afovoany niaraka tamin'i Andy izay tena mbola zandrikely nefa efa mahafehy ilay toerana. Mbola i Liva izay mpilalao vao misandratra ihany koa anefa no nampiditra ny baolina fahatelo (75) ary Faniry no namono ny fahaefatra (86). Diso kajy ny Zanakala satria ry Tendry sy Dahery no nambenana mafy kanjo hafa no namono ny voay. Ny tany Toliara indray dia voatazon'ny 3FB 1 noho 1 ny Elgeco Plus. Nisy sahotaka indray anefa ny faran'ny lalao satria notangoronan'ny mpilalaon'ny Elgeco ireo mpitsara nony vita ny lalao. Ary dia nahita izany aloha ny tompom-baolina izay minia tsy mamoaka ny sazy taorian'ny fikasihan-tanana ny mpanazatra ny Dato nataon'ny filohan'ny ligy atsimo andrefana, Régis Randrianantenaina.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT