Baolina Kitra PFL

Tonga dia baomba ny Elgeco≠Disciples


  • Alakamisy 08 Febroary 2024

Hanomboka ny faran'ny herinandro io ny Pure Play Football League

na ny Pro League mahazatra.Nozaraina vondrona roa Avaratra sy Atsimo ihany ilay izy fa ny COSFA sy Ajesaia ary Uscafoot no nalefa any Avaratra tsy misy hoe ahoana na atsapaka fa dia izay. Io angamba mety amin'ny tompom-baolina. Tonga dia vavany ary avy hatrany dia ny Elgeco Plus sy Disciples FC no hifandona ny sabotsy amin'ny 2 ora etsy amin'ny Kianja Elgeco ihany.Hamaly faty ny Disciples izay resy 1 noho 0 tamin' ny nafitsoky ny mpitsara nandritra ny manasa-dalan'ny Amboaran'i Madagasikara. Raha tonga hanamafy hidintrano ny Disciples i Radio avy any amin' ny Fosa dia efa nilalao tao amin'ny Elgeco kosa tamin'io fotoana io i Jean Yves Fosa sy Bonard CFFA. Hiady izany aloha ny baolina raha tsy manao ny ataony indray ny mpitsara Oviana ny FMF vao mba hanasazy mpitsara toa ny ataon'i Gianni Infantino tamin'ilay Gabonais Atcho. Mbola hisy fiovana koa ve nefa tsy misy niova ny tomponandraikitra misahana ireo mpitsara .Hiady na izany ity fifaninana ity nanao be fandroaka koa ny Zanakala naka an'i Parex JET Kintana, Lalaina COSFA, Naina Avizara Fosa ary Rado CFFA. Nihetsika koa i Titi Rasoanaivo ka naka maromaro hanatevina ny CFFA. Tap ohatra i Urgino sy Ravaka samy Ajesaia ary Mbola an'i Dato sy Lalane Uscafoot. Asa aloha izay havoakany fa hidona amin'ny MAMA ry zareo Andoharanofotsy raha handray ny 3FB ao Ampasambazaha ny Zanakala. Any amin'ny vondrona ilany indray dia hifamono ny Anesaia sy COSFA. Ho hita koa raha mbola manaikitra ny Fosa sisa tavela manoloana ny Uscafoot izay manana ireo mpilalaon'ny US Pro tonga hatrany amin'ny manasa-dalan'ny Amboaran'i Madagasikara.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT