Baolina kitra PFL

Nilentika ny CFFA


  • Alatsinainy 26 Febroary 2024

Tena tsy mandeha amin'ny laoniny intsony ny CFFA Andoharanofotsy.

Taorian'ny fahareseny nanoloana ny 3FB Toliara dia mbola resin'ny Dato 2 noho 1 koa izy omaly. Ny CFFA anefa no nanokatra ny isa tamin'ny alalan'i Elliot saingy mbola ny Dato no nahatafiditra baolina roa tamin'ny alalan'i Légende sy Lampo. Mitana ny rambony ao amin'ny Vondrona Atsimo izany aloha hatreto ny CFFA. Nisaraka ady sahala samy tsy nitoko mantsy ny Elgeco Plus sy ny Inate FC Rouge ary ny Zanakala sy Mama.Ny Disciples kosa dia nandresy ny 3FB tamin'ny baolina tokana matin'i Liva. Ny AS Fanalamanga no nanamarika iny andro fahatelo iny raha nanamontsana ny Tsaramandroso tamin'ny isa mavesatra 5 noho 0. Nandresy na dia somary sempotra ihany aza ny Fosa tao antokontaniny raha nihaona tamin'ny Ajesaia.3 noho 2 no nisarahan'ny roa tonta tao amin'ny Kianja Rabemananjara izay tena feno hipoka. Nisaraka 1 noho 1 koa ny COSFA sy Uscafoot raha nandresy 3 noho 0 ny ASA Nosy Be nanoloana ny KFC A.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT