Baolina Kitra PFL

Nahery Atsimo ny rivotra


  • Alatsinainy 27 Mey 2024

Ekipa efatra avy amin'ny vondrona Atsimo no hiady ny lalao manasa-dalana ny Coca Cola PFL.

Izay no vokatra ny faran'ny herinandro. Vokatra izay nisy fahagagana ihany raha mijery ny vitan'ny Fosa Juniors tany amin'ny fanombohan'ny fifaninana satria tsy resy mihintsy ry Dax raha tsy taty amin'ny faraparany. Voa tanteraka anefa ny sainy taorian'ny nandresen'ny Fanalamanga azy ambony latabatra noho ny antony avy amin'ny mpiandry tsatokazo Joma. Resy 2 noho 0 tao an-tokontaniny ny Fosa ary mbola saika resy indray aza omaly raha tsy nosahalain'i Raicardo, zanak'i Menakely Ruphin ny isa raha 6 minitra tsy hifarana ny lalao. Tsy nisy dikany ho an'ny Fanalamanga anefa ny nanapotehany ny Fosa Juniors satria dia mbola resin'ny Zanakala fanindroany indray izy ary tany Ambatondrazaka. Efa nitarika 2 noho 0 ny Zanakala nandritra ny vanim-potoana voslohany izay vao nahafaty baolina tokana ry Tsalo sy ny namany.Ny lalao fahaefatra dia tena nanjakan'ny Disciples tanteraka saingy na avotr'ilay mpiandry tsatokazo ny Tsaramandroso na navotan'ny mpitsara Andofetra Rakotoarijaona izay nandiso matetitetika ihany ary izay angamba no nahatonga ny CAF tsy hiantso azy intsony tamin'ny CAN farany teo.Efa notarika 2 noho 0 koa ny Disciples, baolina matin'i Mando sy Tendry, izay vao nahafaty ny baolina tokana ry zareo Mahajanga noho ny fahadisoana nataon'i Kante.Ny vaovao mahafaly ho an'ireto Disciples ireto dia ny fahatongavan'i Tsilavina Drogba.Mbola tsy tena ao tsara anefa izy noho ny aretina nahazo azy ary tsy mbola naharesy lahatra an'i Gilles Hugon ilay mpanazatra mpanampy an'i Roro Rakotondrabe.Ho ezahina ampidirina anaty lalao foana aloha Drogba hatreto raha ny hevitry ny mpanazatra Mamisoa Razafindrakoto izay efa mitsinjo lavitra satria mety aloha ny atao hatreto.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT