Baolina kitra PFL

Mitovitovy amin'ny CAN 2024


  • Alatsinainy 12 Febroary 2024

Ny toetrandro ve mahatonga izany fa dia mivadika toy ny tany Côte d'Ivoire

ny fandehan'ny baolina eto Madagasikara raha ilay PFL no arahina.Andro voalohany iny faran'ny herinandro io fa dia ireo tsy nampiozina rehetra no nandresy.Ny fandresen'ny Zanakala tany Toliara 1 noho 0 no mety nampiavaka azy. Niaritra ny mafy anefa ireto Zanakala ireto fa nanaovan'ny mpitantana any an-toerana kz sady tsy nahazo kianja hanazaran-tena no mbola nilaona vaniny teo amin'ny ankanjo hanaovana. Ny Fosa izay noheverina tsy hanaikitra intsony taorianan'ny tataka be nahazo azy ka lasa daholo ireo andrarezina toa an'i Tsiry (Saint Pauloise), Jean Yves (Elgeco Plus), Naina Avizara (Zanakala), Fabrice (Polisy), indray no nahavita nandresy 5 noho 0 ny KFCA. Nahafaty ny baolina telo i Carlos izay mpilalaon'ny CFF Andoharanofotsy. Tsara fanombohana kosa ny Inate FC izay niampy ny FC Rouge ka nandresy 1 noho 0 ny Dato. Ankoatra ireo dia ireo fahagagana sisa. I Disciples FC izay tena tsara fiomanana izao dia resin'ny Elgeco Plus 1 noho 0. Baolina matin'i Feno izay mpilalaon'ny Ajesaia taloha fa nanampy ny Elgeco tany Afrika kanjo tonga dia tafajanona. Izao dia lasa resin'ny ASA Diana ny Ajesaia sisa satria ankoatra an'i Feno dia efa lasa any Seychelles daholo ireo mpamono baolina.Nirava ady sahala, 0 noho 0 ny CFFA sy MAMA. Nataon'ny AS Fanalamanga nahita koa ny COSFA tany Ambatondrazaka. Nandresy 2 noho 0 ny Moramanga. Baolina matin'i Elefoni sy Onja.Eo amin'izay fahagagana izay dia resin'ny Tsaramandroso tao Mahajanga 1 noho 0 ny USCAFOOT. Tany Tsiroanomandidy indray dia nalainlny ASA Nosy Be baraka tao antaniny ny Ajesaia, 3 noho 1.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT