Baolina kitra PFL

Manambana hiala ny Fanalamanga


  • Alatsinainy 13 Mey 2024

Tena mikorontana ambany ambony ny Pure Play Football League amin'izao.

Efa hidiran'ny Federasiona koa moa ny raharaha hany ka tsy fantatra intsony izay tena tompon'antoka.Izao aza dia manambana ny hiala an-daharana ny AS Fanalamanga rahatoa tsy voasazy ny Fosa izay nampilalao an'i Rajomazandry Joma. Tsy fantatra loatra anefa izay tena manana ny marina satria ny fanazavan'ny mpanazatra ny Fosa no nahafantarana fa tsy nandray karama efa-bolana ity mpiandry tsatokazo lasan'ny Fosa ity ary efa nihoatra lavitra ny fotoana nifanarahany ka tokony afaka mifindra amin'izay klioba tiany hilalaovana. Mpikambana ao amin'ny FMF moa ny filohan'ny Fanalamanga ka izany angamba no mahatonga azy hanao izao fihetsika izao fa raha ny tokony ho izy dia azo enjehina amin'ny tsy nandoavany ny karaman'i Joma koa izy.Ny fifanarahana toy ity mantsy dia tokony misy dika mitovy mipetraka any Isoraka ka raha misy tsy fanajana izany dia tokony mandray fepetra ny federasiona ny ny Tribonalin'ny Fanatanjahantena (TAS) izay miara-miasa amin'ny FIFA. Lasa lavitra loatra ity raharaha ity ka lasa mivily any amin'ny tsy izy ny fitsipika mifehy ny PFL.Iza izao no namadika ny filaharana ka nahatonga ny Elgeco Plus sy AS Fanalamanga tsy mihaona indray aminlny ampahaefa-dalanan'ny Play Offs. Iza koa no nanapaka fa hatao eny amin'ny kianja Elgeco plus koa ny lalao rehetra amin'ity ampahaefa-dalana ity. Fa angaha moa toy izany no atao hoe fifaninana mikasika izay ho tompondaka. Raha tezitra izany ireo klioba hafa tsy ho Elgeco Plus sy Fanalamanga sisa no hitan'ny havany eo.Raha mba ho lasa lavitra any Afrika moa haninona fa eto an-toerana aza tsy vitany. Ka tsy ho "premier tour" indray ve dia vita araka ny fiteny mahazatra ny volom-boasary izay antoko misy azy ireo. Dia ny tena no menatsa!
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT