Sport

Baolina kitra PFL Hifamono ny Fosa sy Fanalamanga


  • Alakamisy 07 Martsa 2024

Izao vao tena hivoaka ny sary hoe iza no tena tompon'ny Vondrona

avaratra amin'ity andro fahaefatran'ny PFL ity. Mifamotoana any Mahajanga tokoa mantsy ny Fosa Juniors sy ny AS Fanalamanga izay mitana ny laharana voalohany sy faharoa. Fa angaha izay ihany fa hiverina hamaly faty ireo Fosa taloha toa an'i Besna sy Elefoni. Ny Fosa anefa hatreto tsy mbola nahita solon'i Fab mpiandry tsatokazo ary Tsiry sy Jean Yves izay nikopaka elatra. Asa anefa aloha fa ao amin'ny Kianja Rabemananjara no hilalaovany ary ho tonga daholo ireo mabôty avy amin'ny katie mafana toa ny ao Manga. Ho sarotra ny ahazo an'ny Fanalamanga amin'izay lafina izay fa dia miantehitra amin'i Tsalo sy Goal kely aloha sitrany mivoaka ady sahala. Ny lalao faharoa andrasan'ny maro koa dia ny fihaonann'ny CFFA sy Disciples etsy amin'ny kianja Elgeco Plus. Toa ny lalao rehetra amin'ity andro fahaefatra ity dia hanomboka amin'ny 2 ora ny lalao. Lalao izay toy ny famaranana kely ho an'Andoharanofotsy satria raha resy eo izy dia mety veloma. Efa nanamboatra rahateo ireto olon'i Tôta ireto satria niverina niantso ny mpanazatra Raniry ary Pierrot izay samy tao amin'ny FC BFV. Efa niaraka tamin'i Titi Rasoanaivo ireo fony mbola Tana Formation. Asa anefa raha ho ampy izay handresena ny Disciples izay tonga amin'ny heriny ary mandra-pahatongan'i Tsilavina Drogba dia mbola i Ludovic aloha ny lohany fa ny tena poizina dia i Tendry sy Dahery izay mandeha amin'ny sisiny. Raha ny zava-misy amin'izao aloha dia tokony mbola mandresy ny Disciples raha tsy hoe manao ny ataony indray ireo mpitsara mila ranondranony amin'ingahy filohan'ny CFEM. Enga anie mba tsy ho izay no hiseho fa mba lalao madio no ho jerena indrindra ho an'ireo mameno aotomobilina maromaro avy aty Betafo. Toy izay ny fandaharana an'ireo lalao hafa. Kianja Maître Kira 3FB # Dato Kianja Imerintsiatosika MAMA FC # Elgeco Plus Kianja Ampasambazaha Zanakala # Inate FC Rouge Tsiroanomandidy Ajesaia # Tsaramandroso Diego ASA Nosy Be # Uscafoot Ambanja KFCA # COSFA.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT