Baolina kitra PFL

Fa angaha tsy nisy goal ny Ajesaia ?


  • Alatsinainy 18 Martsa 2024

6 noho 0 ! Io no isa nisarahan'ny AS Fanalamanga sy ny Ajesaia ny sabotsy

teo tao anaty fiadiana ny Pure Play Football League. Tena mahalasa saina raha isan'ny klioba tena nandrandrain'i Bemasoandro iray vohitra no voadona mafy toy izao. Ilay be vazivazy aza raha nahare ny loza dia velom-panontaniana hoe fa angaha dia tsy nisy goal ny Ajesaia. Izany tena hoe vaky lalantsara fa izay voadaka dia maty avokoa. Baolina roa no matin'i Hery (85 , 86) ary mbola baolina roa koa no matin'i Gildas (17 , 23). Ny baolina roa farany foa matin'i Bruno (77) sy Solofo (90). Eo amin'izay Vondrona Avaratra izay anefa dia mbola ny Fosa Juniors no mitana ny laharana voalohany taorinan'ny nandreseny 6 noho 2 ny Tsaramandroso tao amin''ny Kianja Rabemananjara. Mbola faharoa kosa ny ASA Nosy Be raha nandresy 1 noho 0 ny COSFA omaly tao Ambanja. Nosongonan'ny USCAFOOT ny miaramila eo amin'ny filaharana satria nandresy 1 noho 0 ny KGCA ry zareo Fivondronana. Ary dia ny Ajesaia sy ny COSFA izany aloha no mitana ny rambony sady efa azo antoko fa hiadi-toerana izay hivarina diviziona faharoa.
EKIPA 4 MIADY HO VOALOHANY
Tao amin'ny Vondrona Atsimo indray misy efatra ireo ekipa mitovy isa izay miady lohany. Efa fantatra fa tsy hifamono ny samy loranjy ary dia nisaraka 1 noho 1 ny Elgeco Plus sy ny CFFA. Vokany dia lasa mitarika indray izany ny Disciples izay nandresy mazava ny Mama FC. Baolina matin'i Mando sy Tinoh ireo roa matin'ny Disciples ny sabotsy teo tetsy amin'ny kianja Elgeco Plus. Manana isa 9 koa ny Zanakala izay nandresy 1 noho 0 ny Dato tany Manakara. Mbola isa 9 ihany koa ny 3FB izao raha nandresy 1 noho 0 ny Inate FC Rouge tao Andaboly izay lasa Kianja Maître Kira noho ny antony tsy mazava. Mitaky ny zony mantsy ity kintan'ny Baolina kitra ity ka ankoatra ny sari-vongana nangatahiny hapetraka eo amin'ny vavahadin'ny kianja dia mba nanao antso avo koa izy ny tokony hijeren'ny fanjakana azy dieny mbola velona izy.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT