Baolina Kitra

PFL Disciples sy Elgeco no hanao ny famaranana


  • Alatsinainy 24 Jona 2024

Tsy dia nisy fahagagana ny valin'ny lalao manasa-dalana miverina teo amin'ny PFL fa toa ny lehibe ihany no lehibe.

Nandresy tany Toliara ny Elgeco Plus na dia tena nivoaka sempotra satria ny 3FB no nanokatra ny isa. Nitrotra anefa ny Elgeco Plus rehefa fidirana faharoa ka nahatafiditra ireo baolina roa izay tsorina fa noho ny fanitsiana nataon'ny mpanazatra Henintsoa Hildecoeur. Ny tsy nampoizina anefa ny ny karatra mena azon'i Jean Yves izay tsy afaka milalao amin'ny famaranana amin'ny alahady izao etsy amin'ny kianja Elgeco Plus. Famaranana izay hihaonany amin'ny Disciples FC izay nandresy mazava ny Zanakala tamin'ny isa 3 noho 0. Tsy nisy dinika fa ny nahagaga dia navadikin'ny mpanohana ny Zanakala totohondry izany rehefa nirava ny baolina. Nandresy 3 noho 2 ny Zanakala tany Ampasambazaha nefa dia 8 minitra na tsorina hoe iray sy valo dia nosahalain'i Drogba ny isa. Tsy nijanona teo anefa ny Disciples fa mbola namono baolina roa i Mando (49 ; 88). Na inona miseho na inona miseho amin'ny alahady izao dia efa nanoratra tantara vaovaon'ny baolina kitra any Betafo ireto Disciples ireto. Ny tena tombony dia mampiray ny mponina any ny baolina kitra na dia eo aza ny fizarazarana ateraky ny politika.Mbola tena hiady izany ny famaranana ny alahady izay na dia tsy mora aza ny mandresy ny tompom-baolina. Ny teknika ampetraky ny mpanazatra koa tena misy hitovizana satria samy lehibe tao Mahamasina na i Mamisoa Razafindrakoto na Dekera. Ho hita eo ihany ny tohiny.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT