Sport

Baolina kitra Nomem-boninahitra tao amin’ny Paris FC i Bolida


  • Alatsinainy 13 Septambra 2021

Naneho fisaorana sy fanomezam-boninahitra an’i Lalaina Nomenjanahary na « Bolida » ny Klioban’ny Paris FC ny sabotsy 11 septambra 2021.

Mba ho fisaorana an'i Bolida nandritra ny fotoana nilalaovany tao amin ny Paris FC dia nasain’ny mpitantana tao amin'ny klioba nandaka ny « Coup d’envoi » tamin’ny fanombohan’ny lalao nifanandrinan’ny Paris FC sy ny EA Guingamp ny sabotsy lasa teo. Henika haja sy voninahitra ny tenako, hoy izy, ka misaotra an'ny Paris FC tamin'ny fankasitrahana ahy ny tenako manokana. Fotoana nihaonany indray tamin’ny mpilalao sy ny mpankafy tao amin’ny kianja Charléty taorian’ny tsy maha mpilalaon’ny Paris FC azy intsony, ary niaraka tamin’ireo vady aman-janany izy tamin’izany. Naneho fisaorana ity mpilalao malagasy 35 taona ity kosa ny mpankafy, ary naneho fa hipetraka ho tantara ao amin’ity klioban’ny Renivohitra Frantsay ity ny anarany. Nandritra ny 5 taona no nilalaovan’i Bolida tao amin’ny Paris FC, lalao 133 no nataony, nandray anjara betsaka tamin’ny niakaran’io klioba io tao amin’ny Ligue 2, ary efa tafikatra tany amin’ny lalao sakana na « play-offs » indroa mba hiakarana tamin’ny Ligue 1, saingy tsy raraka tany amin’ny dingana farany hatrany. Mpilalao fahadimy nahavita lalao betsaka indrindra tao amin’ny Paris FC i Bolida, izay tsy nohavaozin’io klioba intsony ny fifanarahana nanomboka tamin’ity taom-pilalaovana 2021-2022 ity. Tsy isan’ireo mpilalao voaantso handrafitra ny Barean’i Madagasikara intsony ihany koa izy hatreto. Mbola tsy manana klioba i Nomenjanahary Lalaina amin’izao, ary tsikaritra ho mifantoka kokoa amin’ny fiainam-pianakaviany.
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT