Sport

Baolina Kitra Niverina indray ny Amboaran'ny Filoha


  • Talata 08 Aogositra 2023

Ny zavatra dia tokony hitohizana! Raha nataon'ny Filoha Ratsiraka hijerena mpilalao havanana ny Amboaran'ny

Filoha tamin'ny fotoan’androny dia izao tohizan'i Andry Rajoelina izao indray. Ny tsy fantatra na tena tsara azy ny hevitra dia manahy ihany fa sao dia efa miditra amin'ny propagandy sahady. Ary enga anie mba tsy ho izay fa dia tena baolina tokoa no ho hita ny 10 ka hatramin'ny 20 aogositra izao. Mizara Vondrona roa moa ireo mpifaninana ka eto Antananarivo no misy ny avy any Antsiranana sy Toamasina ary any Mahajanga indray ny avy any Fianarantsoa sy Toliara. Ny roa voalohany isam-bondrona no manao ny manasa-dalana. Ny olana kely dia hisy ireo ekipa manana mpilalao any amin'ny Barea no ho latsa-danja ary tafiditra amin'izany Antananarivo sy Mahajanga.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT