Baolina kitra

Nitalakotrokotroka ny fandraisan'i Betafo ny Disciples FC


  • Alatsinainy 15 Jolay 2024

Fety tsy nisy ohatra izany. Haravoana tsy nisy ohatra izany.

Tamin'ny hafaliana tanteraka no nandraisan'ny mponina ao Betafo ny Disciples FC ny sabotsy teo taorianan'ny nandrombahany ny maha tompondakan'i Madagasikara azy.
RAIKETIN'NY TANTARA
Zava-dehibe raiketin'ny tantara izao hoy ny ambetiteny an'ireo nandray fitenenana nahitana ny lehiben'ny Distrika, Ravaka Randrianaivo sy ny solombavam-bahoaka voafidy tao Betafo, Livasoa Andriatahinamalala ary solombavam-bahoaka tao Antsirabe 1, Désiré Razafinimaro izay isan'ireo nanorina ny Disciples niaraka tamin'ny filoha mitantana izao dia i Johnny Rijaniana. Ity farany moa no nanoritsoritra ny tantaran'ny klioba izay niorina tao anaty finoana katolika sy protestanta ka nahatonga ny anarana hoe Disciples. Ny niandohany indray dia teny Ambatomaro fony nianatra teny Ankatso ary natambatry ny fitiavana ny baolina kitra.
BAOLINA KITRA MAMPIHAVANA
Ny safidy ho any Betafo toerana niavian'ny filoha mpanorina indray dia voalazany nandritra ny kabary fa noho ny fahatsapany fa mampihavana ny baolina kitra sady tsy voafatotry ny politika. Raha hiverena ny endriky ny fankalazana dia tany Atsimoniavoko no nitsena ny mponin'i Betafo sy moto anjatony. Nanodidina ny tanana aloha niaraka tamin'ny bapampa ary ireo. mpilalao teny amin'ny tafon'ny fiara.Noraisin'ny mponina tao amin'ny kianja ao Avarantsena ary dia nisy ny fampisehoana nataon'ny Kolo Mozika sy Mijah.Nisy avy eo fiarahana nisakafo ary fizarana ny nofon-kena mitampihavanana. Marihina moa fa nanatrika izao lanonana izao koa ny mpanazatran'ny Barea, Roro Rakotondrabe. Ny nahagaga kely dia ity farany no nifandrobahan'ny olona nakana sary fa tsy mba ny mpilalao. Betafo foana...
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT